Search

Fanambarana ny ara-dalàna

Ny tranonkalan'ny tetikasa DINAAMICC dia navoaka ny tambanjotra ny 2023.

Mpamoaka lahatsoratra

Ny Tranokala DINAAMICC dia navoakan'ny Centre de coopération Internationale en Recherche Agronomique ( CIRAD ) voasoratra ao amin'ny RCS ao Paris amin'ny laharana 331 596 270. Ny CIRAD dia orinasam-panjakana indostrialy sy ara-barotra (EPIC) izay manana ny foibeny ao amin'ny 42 Rue Scheffer. , 75116 Paris, +33 1 53 70 20 00.

Talen'ny famoahana

Elisabeth Claverie de Saint Martin , CIRAD , Filoha-Tale jeneraly

Tompon'andraikitra ara-tsiantifika

Bertrand Muller, Cirad, Mpandrindra ny tetikasa

Mpikirakira ny Tranonkala

R. Lôla Andriamampionona, Tompon'andraikitra ny fanjohina sy ny tomban'ezaka

Fampiantranona 

Ny Tranokala DINAAMICC dia nampiantranoin'ny Centre de coopération Internationale en Recherche Agronomique ( CIRAD ) voasoratra ao amin'ny RCS ao Paris  amin'ny laharana 331 596 270. Ny CIRAD dia orinasam-panjakana indostrialy sy ara-barotra (EPIC) izay manana ny foibeny ao amin'ny 42 Rue Scheffer. , 75116 Paris, +33 1 53 70 20 00.

Fahazoan-dalana

  • Fampandrosoana ara-tsiansan'ny solosaina sy famolavolana  : CIRAD, Delegasiona Rafitra Fampahalalam-baovao, Montpellier, France.
  • Sary famatarana sy Sata mifehy ny sary : Antso Andrianary.
  • Fandrindrana sy fanohanana amin'ny famoahana  : Cathy Rollin, Delegasiona ny serasera, CIRAD.
  • Ity tranokala ity dia mampiasa eZ Publish, fitaovana fitantanana ireo votoatin'ny Tranonkala navoakan'ny eZ System.

Fepetra fampiasana amin'ny ankapobeny DINAAMICC

Andininy 1: tanjona

Ny tanjon'ireo fepetra ankapobeny momba ny fampiasana ny Tranonkala na "Conditions Générales d’Utilisation (CGU) dia ny hamaritana ireo ambaratonga sy ny fepetra izay anomezan'ny CIRAD ny Tranonkala DINAAMICC ho an'ny mpampiasa Aterineto sy ny fomba ahafahan'ny mpampiasa Aterineto miditra sy mampiasa azy. 

Ny tanjon'ny Tranonkala dia ny hanolotra amin'ireo mpampiasa aterineto ny tetikasa siantifika DINAAMICC sy ny tambajotran'ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ary koa ny hetsika sy ny zava-bita tontosaina ao anatin'ity tetikasa ity.  

Ny dika navoaka ankehitriny mahakasika ireo fepetra CGU (dika 1.0 ny 09/2022) no hany tokana afaka manohitra mandritra ny faharetan'ny fampiasana ny Tranonkala ary mandra-pahatongan'ny dika vaovao manolo azy. CIRAD dia manana zo hanova ireo fepetra ireo amin'ny fotoana rehetra ary tsy misy fampandrenesana mba hampifanaraka azy ireo amin'ny fanovana amin'ny Tranokala sy ny fiasany. 

Andininy 2. Fidirana amin'ny Tranokala 

Mba ahafahana miditra sy mampiasa ny Tranonkala, ny mpampiasa Aterineto dia manaiky ny hanaraka ny fepetra rehetra voalaza etsy ambany. 

Ny mpampiasa Aterineto amin'ny Tranonkala dia manaiky rehefa nanamarina fa tsy misy viriosy ny firafitry ny solosaina sy ny fitaovana fampifandraisana ampiasainy ary mandeha tsara ara-dalàna. 

Anjaran'ny mpampiasa Aterineto tsirairay ny mandray ny fepetra mifanaraka amin'izany mba hiarovany ny angon-kevitra azy ireo manokana, ny fitaovana sy/na rindrambaiko amin'ny fahavoazana avy amin'ny viriosy rehetra mivezivezy amin'ny Aterineto, fa koa ny manao tahiry tsara ny angon-kevitra azy ireo.

Andininy faha-3. Fitantanana ny Tranonkala 

Ny CIRAD dia miezaka manome alalana ny fidirana amin'ny tranokala 24 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro, afa-tsy raha misy ny sakana lehibe araka ny voalazan'ny kaody sivily Frantsay ary raha misy ny fahasimbana ary ilaina fikojakojana amin'ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ny Tranonkala. 

Noho izany, ny CIRAD dia tsy afaka miantoka tanteraka ny fisian'ny Tranonkala sy ny tolotra omeny, ny fahatokisana ny fanapariahana ny fahombiazany amin'ny resaka fotoana na kalitao. Tsy misy fanampiana ara-teknika omena ny mpampiasa Aterineto, na amin'ny alalan'ny fitaovana elektronika na an-tarobia. 

Ho an'ny fitantanana araka ny tokony ho izy ny Tranonkala, ny CIRAD dia mety manapaka ny Tranonkala na ny ampahany amin'ny tolotra, na mametra ny fidirana amin'ny rehetra na ampahany amin'ny tranonkala amin'ny fotoana rehetra tsy misy fampandrenesana, izay rehetra izay tsy mmisy zo amin'ny onitra. 

Andininy 4. Ny votoatin'ny Tranonkala 

Ny fampahalalana sy ny antontan-kevitra miseho ao amin'ny tranokala ary azo idirana amin'ny alàlan'ny Tranokala dia avy amin'ny loharano heverina ho azo itokisana. 

Na izany aza, ireo fampahalalana sy antontan-kevitra ireo dia mety ahitana ny tsy fahatomombanana ara-teknika sy ny fahadisoana amin'ny fanoratana izay tsy azo handraisana ny CIRAD ho tompon'andraikitra. Manan-jo hanitsy azy ireo ny CIRAD raha vao ampahafantarina azy ireo fahadisoana ireo. 

Ny fampahalalana sy ny antontan-kevitra hita ao amin'ny Tranonkala dia azo ovaina amin'ny fotoana rehetra, ary mety ho nohavaozina. Indrindra indrindra, mety ho nohavaozina izy ireo teo anelanelan'ny fotoana nakana azy sy ny fotoana nahafantaran'ny mpampiasa Aterineto azy. 

Amporisihina mafy ary mba hisy ny fanamarinana ny fahamarinany sy ny maha-zava-dehibe ny fampahalalana sy ny antontan-kevitra hita ao amin'ny Tranonkala. 

CIRAD dia afaka mamafa na mandà tsy hampiseho votoaty mifanohitra amin'ny lalàna nasionaly sy iraisam-pirenena, fitondran-tena na mety hanakorontana ny fiasan'ny Tanonkala. 

Andininy 5. Fananan-tsaina

Ny Tranonkala dia fananan'ny CIRAD irery ihany. 

y votoatin-kevitra rehetra ao amin'ny Tranonkala, ny votoatin'ny fanadihadiana, ny lahatsoratra, ny asa, ny vokatra, ny dingana, ny kaody ary ny sary aseho amin'ny Aterineto dia arovan'ny zon'ny mpamorona, patanty ary ny lalàna miaro ny angon-kevitra izay ny Cirad no mpamokatra araka ny dikan'ny lahatsoratra. L. 341-1 sy ny fanarahana ny fehezan-dalàna momba ny fananan-tsaina. 

Ny sary rehetra navoakan'ny CIRAD amin'ity Tranokala ity dia fananan'ny CIRAD na nampiasaina miaraka amin'ny faneken'ny mpanoratra azy ao anatin'ny rafitra mamaritra mazava amin'ny Tranonkala. Raha maniry ny hahazo sary dia mifandraisa amin'i bertrand.muller@cirad.fr.

Ny famokarana, ny fanehoana na ny fampifanarahana manontolo na ampahany amin'ny Tranokala ataon'ny olona ambatana na aara-dalàna, amin'ny fomba rehetra, raha tsy misy ny fanekena an-tsoratra avy amin'ny CIRAD, dia voarara ary mety ho fanaovana hosoka izay voasazy indrindra amin'ny lahatsoratra L. 335- 2 sy ny fanarahan'ny fehezan-dalàna momba ny fananan-tsaina.

Raha toa ka eken'ny CIRAD ny famokarana manontolo na ampahany, fanehoana na fampifanarahana ny Tranonkala ataon'ny olona ambatana na ara-dalàna, ity farany dia manaiky ny mitanisa ny mpanoratra sy ny loharanony, mifanaraka amin'ny  andinin-dahatsoratra L.122-5 amin'ny Fehezan-dalàna mifehy ny fananan ara-tsaina. 

Ny famerenana mampiasa indray na maka manontolo na ampahany amin'ny angon-kevitra ao amin'ny Tranokala ataon'ny olona ambatana na ara-dalàna, amin'ny dingana rehetra na inona na inona, dia voarara ary mety ho fandikan-dalàna voasazy araka ny andinin-dahatsoratra L. 343-1 sy ny fanarahana ny Fehezan-dalàna momba ny fananana ara-tsaina. 

Ny famokarana manontolo na ampahany amin'ny marika sy ny sary manamarika an'ny CIRAD raha tsy nahazo alalana an-tsoratra dia voarara araka ny Andinin-dahatsoratra L. 713-2  ary mifanaraka amin'ny Fehezan-dalàna momba ny fananan-tsaina.

Ny zavamisy mahatonga ny Cirad tsy manomboka avy hatrany amin'ny fitsarana raha vao eo ampihandohana ny fahafantarany ireo fampiasana tsy nahazoana alalana ireo dia tsy fanekena ny fampiasana sy fanafoanana ny fitsarana.. 

Andininy faha-6. Andraikitra 

Ny CIRAD dia tsy azo raisina ho tompon'andraikitra mivantana na ankolaka, na inona na inona antony, na inona na inona zava-dratsy, na inona na inona fahavoazana, fitsarana an-tendrony, mivantana na ankolaka, na inona na inona ary indrindra indrindra :

  • Ireo izay mety hipoitra avy amin'ny fidirana, fampiasana na fampidinana votoatin-kevitra amin'ny alàlan'ny Tranonkala, indrindra ny fahasimbana na viriosy mety hamindra ny solosain'ny mpampiasa Aterineto na fitaovana hafa.
  • Ireo vokatry ny tsy fahombiazana, fahapotehana, fahasahiranana na fahatapahan'ny fampandehanana ny Tranonkala, asa fikojakojana voalahatra, manakana ny fidirana amin'ny Tranonkala sy/na ny fampiasana zavamisy ho an'ny mpampiasa Aterineto na antoko fahatelo.
  • Ireo vokatry ny fandikana na fampiasana ny vaovao sy antontan-kevitra hita ao amin'ny Tranonkala.
  • Ireo vokatry ny fisian’ny olana marery araka ny voalazan’ny Fehezan-dalàna sivily frantsay.

Ny CIRAD dia tsy tompon'andraikitra amin'ny fahavoazana na fatiantoka ankolaka azon'ny mpampiasa Aterineto, toy ny fatiantoka amin'ny asa, ny vola miditra, ny tombony na ny angon-kevitra. 

Andininy faha-7. Rohy mifandray amin'ireo lahatsoratra 

Ny tranokala dia mety misy rohy mikendry ny tranokala hafa amin'ny Aterineto. Ny fanarahana ireo rohy mankany amin'ireo loharano hafa ireo dia mahatonga ny mpampiasa Aterineto handao ny Tranonkala. Ny fampahalalana rehetra azo alaina amin'ny alàlan'ireo rohy mankany amin'ny Tranokala hafa dia tsy eo ambany fifehezan'ny CIRAD, izay mandà tsy ho tompon'andraikitra amin'ny votoatiny rehetra. 

Azo atao ny mamorona rohy mankany amin'ny pejy fanolorana an'ity Tranonkala ity raha tsy misy ny fanomezan-dàlana mazava avy amin'ny CIRAD, raha toa ka asehon'ny rohy ao anaty varavarankely na tabilao vaovao ilay rohy.

Na izany aza, angatahina ianao hampahafantatra mialoha ny CIRAD amin'ny adiresy bertrand.muller@cirad.fr , izay mety hangataka amin'ny fotoana rehetra hanesorana ilay rohy avy hatrany ary tsy mila manamarina ny fanapahan-keviny. 

Na izany aza, angatahina ianao hampahafantatra mialoha ny CIRAD amin'ny adiresy bertrand.muller@cirad.fr  , izay mety hangataka amin'ny fotoana rehetra hanesorana ilay rohy avy hatrany ary tsy mila manamarina ny fanapahan-keviny. 

Andininy 8. Lalàna manan-kery sy fahefana mahefa  

Ireo fepetra ankapobeny amin'ny fampiasana sy ny votoatin'ny Tranokala dia fehezin'ny lalàna frantsay.

Ny mpampiasa Aterineto sy ny CIRAD dia manaiky fa ny fifandirana rehetra mety hitranga vokatry ny na mifandray amin'ireo fanomezana ireo, raha tsy azo fehezina am-pilaminana ao anatin'ny fotoana mety, dia hatolotra ny fitsarana frantsay mahefa.