Search

Zavamisy manodidina ny tetikasa

Date de mise à jour : 28 février 2023

Miainga avy amin'ny famakafakana mialoha ny toe-javatra sy ny sakana, ny « DINAAMICC » dia tetikasam-pikarohana sy fampandrosoana misy mpiantsehatra marolafy.

Madagasikara dia anisan’ireo firenena mbola mivelona tanteraka amin’ny fambolena ny ankamaroan’ny mponina ao aminy (mahery ny 75%). Na izany aza, ny fambolena dia anisan’ireo asa voakasika mivantana ny fiovan'ny toetr'andro. Raha ny tranga misy, tato anatin’ny taona vitsivitsy izay dia tsy nitsahatra ny fiakaran’ny maripana, nihena ihany koa ny rotsak’orana, nirongatra ny loza isankarazany, indrindra ny rivodoza nifanesy sy ny hafanambe « El Nino ». Ankoatra ireo trangan-javatra voajanahary ireo, ny fahasimbana ataon’ny olombelona dia antony tsy azo tsinontsinoavina izay mampitombo ny hamafin’ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro. Miseho izany amin'ny fampiharana miverimberina ny fomba fambolena tsy maharitra tsy manaja ny tontolo iainana, ny fampiasana kitay sy saribao ho loharanon'ny angovo ao an-tokantrano ary ny doro tanety amin'ny antony maro samihafa. Noho ireo tranga ireo dia mandry andriran’antsy hatrany ny tokantrano tantsaha Malagasy ; fihenan’ny voka-pambolena, ny fihenan'ny fidiram-bola ary  mihamarefo hatrany izy ireo manoloana ny loza rehetra. Voakasik’izany ny faritra afovoan-tany toy ireo faritra hafa. Ny toe-javatra ankehitriny dia mbola manampy trotraka ka tsy ahafan’izy  ireo manohitra ny fahasahiranana sedrainy : mihena ny tany fambolena azo ambolena ary miha tsy mamokatra ny tany. Ireo zavamisy manaitra ireo no manosika antsika hanao fikarohana mba hahitana vahaolana mifanaraka tsara amin’izay ilaina, ka afaka manome rafitra fambolena maharitra ahazoana vokatra tsara, miaro ny tontolo iainana ary manome lanja ny ara-tsosialy. Amin’izay indrindra no mendrika ho takatry ny rehetra ny foto-kevitra momba ny « agroécologie » azo adika ho "agroekolojia" na “Fomba famokarana manaja ny tontolo iainana sy ny manodidina azy” sy hampiharin’ny tokantrano tantsaha marobe, mba hanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fiahiana ara-tsakafo. Amin'ny ankapobeny, ny DINAAMICC dia tetikasa iray izay hiasa amin'ny fanatsarana ny fambolena amin'ny alàlan'ny agroekolojia mifanaraka amin'ny fiovan'ny toetr'andro.

Date de mise à jour : 28 février 2023