Ny Cirad dia Vondrom-pikarohana Frantsay momba ny fambolena sy fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana maharitra amin’ireo faritra tropikaly sy mediteraneanina.
Miaraka amin’ireo mpiaramiombon’antoka aminy, izy dia miara-mandrafitra fahalalana sy vahaolana ho an’ny fambolena mahatohitra ao anatin’ny tontolo maharitra sy miray hina. Manatontosa tetik’asa maro ihany koa izy momba ny fikarohana ho an’ny fampandrosoana ao amin’ny firenena manodidina ny dimampolo isa.