Search

Famantarana sy fanandramana ireo fomba famokarana

Fanatsarana ny fomba fanao amin'ny alàlan'ny hetsika fikarohana sy fanohanana ary fiaraha-miasa amin'ny tokatrano tantsaha amin'ny faritra 3 hiasana.

Ireo fandalinana tahirin-kevitra, ireo asa eny ifotony sy amin'ireo toerana fitiliana sy fikarohana dia hatao mba hanaovana tomban'ezaka ireo fomba mety hamahana ireo olana lehibe mifandraika amin'ny vokam-pambolena. Ho fanatsarana ny tanjaka sy ny faharetan'ireo tokantrano tantsaha, ny DINAAMICC dia hiara-hiasa akaiky amin'izy ireo amin'ny fananganana toeram-panandramana, ireo saha-sekoly , ireo fampiharana fomba amin'ny teknika vaovao, ary koa ny fampiharana ny agroekolojia. Fanampin'izany, hisy ny tombana lalina mahakasika ireo fomba fanao izay aroso miaraka amin'ny lohahevitra fikarohana valo farafahakeliny, ahitana ireto ohatra manaraka ireto: ny famantarana ireo loharano fanoherana ho fisorohana sy hiadiana amin'ny aretina mpahazo ny vary "bactériose vasculaire du riz (BLB)", fanadihadiana amin'ny fametrahana fitantanana ara-agroekolojika ny aretina mpandemy ny ovy "flétrissement bactérien de la pomme de terre", ny fepetra sy fandrefesana ireo entona mpanimba ny tontolo iainana avoakin'ireo akora nentindrazana sy nohatsaraina mahakasika ny famokarana saribao.

Mifanandrify amin'izany, ny asa faharoa dia voarafitra ho ambaratongan'asa dimy manampy azy: 

  • fanatsarana ny fahalalana sy ny fomba fanaraha-maso ireo mpanimba ny voly
  • famantarana sy fampiroboroboana karazana masomboly misy tombontsoa ara-toekarena sy ara-agronomika
  • fanatsarana ny fampifandraisana ny fambolena sy fiompiana ary ala vadim-boly
  • fanatsarana ny fomba fitsitsiana sy fitsinjarana ny rano
  • fananganana sy fampiharana rafitra fanombanana amin'ny fepetra maro atao amin'ireo fomba hampiharina